SaD-Sostegno a Distanza (Italia-Madagascar)

Anno: 
2017

PROJET SOUTIEN A DISTANCE (SAD)

Ho fanamafisan'orina ny fifandraisana sy ny fifankatiavana eo amin’ny fianakaviamben’ny TETEZANA MADA (mpikambana, mpampianatra, ankohonana mandray ny fanampiana, mpanohana any dilam-bato) dia tamin’ny fomba miavaka kely, tsy toy ny mahazatra no nanatanterahana ny fivoriana fanao mahazatra azy ireo tamin’ity indray mitoraka ity.

Noezahina natambatra teny amin’ny Site 2 teny Ambodivondava Alasora avokoa ny rehetra, ary sambany ho an’ireo ankohonana sahanin’ny Site 1 eny Andravoahangy ny fahatongavana teny. Hatramin’izay tokoa mantsy dia ao amin'ny foibe ao Andravoahangy hatrany ny famoriana ny rehetra itambarana, rehefa misy ilàna izany.

Tamin’ity indray mitoraka ity dia nanao be midina teny Alasora kosa ny rehetra ! Nanampy azy ireo tamin’ny feo sy ny sary ry namana avy aty Italia, ary nisy fampisehoana kely “tsy nomanina” kanefa tena nahafinaritra natolotr’ireo ankizy azy ireo tamin’ny alalan’ny “Skype” (hira, tsianjery, dihy) tany amin’ny famaranana ny fotoana.

Nanombohana izany kosa ny firesahana tsirairay nyfianaran’ireo ankizy hiomanan’izy ireo amin’ny fanadinana ho an’ny telo volana faharoa, mialohan’ny fialan-tsasatry ny Paska. Teo ihany koa ireo dinidinika samihafa mahakasika ny fiainan’ny fikambanana sy ho fandaminana, ary izay tsara ho fantatra rehetra.

Teny antsefatsefany teny dia nisy firaiketana an-tsary sy feo (vidéo) ho tahiry hipetraka rahatrizay, ary nofaranana tamin’ny fiaraha-miala hetaheta toy ny mahazatra ny fivoriana!

Avy amin'ny Fikambanana Tetezana Mada.

 

Immagine: