Tantaran'i Noavisoa

Anno: 
2020
Tantaran'i Noavisoa
 
Am-pifaliana no izarana aminareo ny tantaran’i Noavisoa telo mianadahy…
 
Noavisoa sy Manoy ary Sambatra dia mpianadahy, kamboty reny, monina ao Ampahitrizina. Manana iray tam-po telo vavy koa izy ireo, dia i Marie sy Haja ary Fanampiana, saingy efa nanambady sy niteraka avokoa. Ny ankamaroan’ny any ambanivohitra, tany lavitr’andriana any moa, dia mampalahelo fa ny ankabeazan’ny ankizy na dia vao 16 taona monja aza dia mijanona amin’ny fianarana ary alefan’ny ray aman-dreny manambady ... Vitsy amin’ireo fokontany rahateo no manana CEG na LISEA hany ka vao mahavita ny kilasy faha-5 (7ème) ny ankamaroan’ireo zaza dia mijanona na afa-panadinana na tsia.
 
Ampahitrizina dia fokontany kely iray ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ambohitrolomahitsy. Lalan-tàny atao dia an-tongotra sahabo ora 2 eo ho eo Ampahitrizina raha miainga eo Talatanivolonondry. Ity farany kosa dia 30km mahery avy eto an-drenivohitra.
Zanaka tantsaha araka izany izy telo dahy, tsy misy fidiram-bola matotra fa mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana kely. Soa fa manan-talenta amin’ny fanamboarana sarety ny rainy, ka rehefa mba mahazo komandy dia misy ihoriranana kely.
 
Noavisoa sy Manoy no misitraka ny tetikasa “Soutien à distance” eto anivon’ny fikambanana Tetezana. I Sambatra kosa dia olon-tsotra tsara sitrapo hatreto no manampy azy amin’ny lafiny fianarana. Kilasy faha-sivy, hanala ny fanadinana hahazoana ny mari-pahaizana BEPC izy izao. Tsy mbola misy LYCEE moa ao Ampahitrizina, ka ho hita eo ihany ny mahakasika azy raha tafita soa aman-tsara amin’io fanadinana io izy.
I Noavisoa dia mamarana ny fianarany hivoaka ho mpitsabo mpanampy amina sekoly ambony tsy miankina iray ao Antanimena. Manoy kosa dia taona faharoa amin’ny sekoly teknika ao Ankazondandy, tanàna kely iray 65km miala an’Antananarivo, ary mianatra manokana momba ny tao-trano na BTP.
 
    
 
Anisan’ny iray tamin’ireo toeram-pitsaboana nanatanterahan’i Noavisoa ny fizaran’asa tsy maintsy atao mandritry ny taom-pianarany ny CSB1 Ampahitrizina, itantsika amin’ny sary. Tao anatin’izao vanim-potoan’ny hamehana ara-pahasalamana izao, izay nikatonan’ny sekoly rehetra dia afaka nanao fizaran’asa an-tsitra-po na “stage bénévole” tao amin’ny CSB1 Ampahitrizina i Noavisoa. Isaorana manokana eto ireo tompon’andraikitra nahafahany nanao izany. Manoy sy Sambatra moa tsy manan-tsafidy fa dia manampy an’i dada amin’ny asa aman-draharaha fanao eny ambanivohitra, toy ny maka kitay, na miava pitipoa.
 
Ankehitriny i Noavisoa dia miroso amin’ny fanomanana tsikelikely ny fanadinana famarana-taona ka manomboka mikarakara sy manoratra ny boky. Efa voatendry rahateo ny “encadreur” hanaraka azy amin’izany eo anivon’ny sekoly. Misimisy ihany ny fandaniana amin’ny fanatanterahana izany, ankoatry ny sarany tsy maintsy aloa amin’ny sekoly koa raha misy terem-panahy hanolo-tànana ny TETEZANA amin’ny fanohanana azy dia raisina am-pitiavana.
 
Zaraina ihany koa izao zava-misy izao mba ho fanentanana antsika rehetra, satria inoana fa samy manana "ambanivohitra" ny ankamaroan-tsika, ary tena mila jerena akaiky sy tohanana araka izay azo atao ireo ankizy sy tanora any lavitra any mba hanana ho avy mamiratra kokoa fa tsy sanatria ny fanambadiana aloha loatra no hany vahaolana ho an’ireo ray aman-dreny any an-tany lavitra any...
 
-------------------------
 
 
 

Bonjour à tous, nous sommes heureux de vous partager la petite histoire de Noavisoa, Manoy et Sambatra ; tout en espérant que cela vous aidera à continuer à nous tendre la main dans cette noble devoir de venir en aide à ses semblables sans rien attendre en retour, si ce n’est de voir les jeunes soutenus par le projet « Soutien à distance » progresser et réussir dans leur vie.

Noavisoa, Manoy et Sambatra font partie d’une fratrie de 6 enfants. Ils ont perdu leur mère en 2017 suite à une maladie qui a consumé toute la famille moralement et financièrement. Les trois autres sœurs, Marie, Haja et Fanampiana sont déjà mariées et mères de famille malgré leur si jeune âge. C’est triste mais dans les zones assez reculées comme Ampahitrizina, leur terre natale, les jeunes filles, encouragées ou forcées indirectement par les parents, se marient précocement, même à 15 ans. Beaucoup de ces localités ne disposent que d’établissements scolaires primaires ou EPP, et la plupart des enfants arrêtent leurs études au niveau 7ème

Ampahitrizina, est un petit village qui se trouve à 2 heures de route à pied de Talatanivolonondry, là où les « koba » et « saosisy » sont si fameux. Ce dernier est à 30 km de la ville d’Antananarivo.
Leur père est un petit agriculteur sans revenue fixe,  qui s’efforce tant bien que mal à faire vivre sa famille. Heureusement qu’il a un talent exceptionnel dans la fabrication de charrette à bœufs  qui lui fait gagner un peu d’argent  quand il en reçoit des commandes.

Noavisoa et Manoy sont soutenus par le Projet Soutien à Distance de Tetezana. Sambatra, quant à lui est aidé par une simple famille pour l’instant. Il passera cette année l’examen officiel pour l’obtention du BEPC. Comme il n’y a pas de lycée à Ampahitrizina, son parcours scolaires reste incertain mais bien évidement Tetezana ne pourrait rester les bras croisés en cas de besoin.

Noavisoa est en dernière année de formation paramédicale, parcours infirmier, dans une université privée de la ville où  elle est hébergée chez sa famille d’accueil. Manoy est en deuxième année BTP à Ankazondandy, un petit village à 65km de la ville.

Malgré les difficultés auxquelles elle a du faire face, Noavisoa est restée assez combative et ne veut rien lâcher jusqu’à ce qu’elle obtienne son diplôme d’infirmière afin de pouvoir à son tour venir en aide aux autres de par ses compétences.
Pendant la fermeture des écoles et universités à cause de la pandémie de Covid19 ; Noavisoa a pu continuer un stage bénévole au sein du CSB1 d’Ampahitrizina ; si Manoy et Sambatra n’ont eu de choix que de rester chez leur père et aider ce dernier dans les activités rurales.
Actuellement, Noavisoa doit commencer à se préparer pour la présentation de sa mémoire de fin d’études. Ce qui implique beaucoup de frais supplémentaires, ne serait-ce que le forfait à payer selon la grille tarifaire appliquée au sein de l’université où elle suit ses études, chiffré à presque 1.000.000 MGA.

Comme nous le savons tous, Tetezana Mada et Tetezana Italie subissent aussi les impacts de la crise sanitaire liée au Covid19, et ne peuvent pas pour l’instant organiser les différentes activités pour collectes de fonds comme à l’accoutumé.

Alors, une fois de plus, nous lançons un appel à votre solidarité, comme  il y a aussi la prochaine rentrée scolaire à laquelle nous devons faire face. Nous restons positifs et comptons sur vos aimables soutiens, ce dont nous vous en remercions vivement par avance.

Ensemble, nous pourrons continuer à avancer dans le bon sens… Infiniment merci…

 

 

Immagine: