FR : c’est toujours un grand plaisir de vous partager à travers cette page les news au sein de notre association. C’est vrai, des fois ce n’est pas en temps réel, et il faut bien comprendre que ce n’est pas volontaire et qu’on fait de notre mieux… (Mino…)
Les photos qui suivent ont été prises lors de notre réunion mensuelle avec les enfants et parents soutenus par le projet SaD.
A l’ordre du jour :
- Présentation de vœux
- Félicitations à Rova et Lancia qui ont profité de l’occasion pour adresser leurs sincères remerciements à la grande famille de Tetezana Mada et Onlus
- Observations et mesures par rapport aux résultats du premier trimestre : bon résultat en général, malgré quelques mauvaises notes…
- Echange et partage de diverses nouvelles
- Santé : quelques enfants vont devoir consulter des spécialistes en ophtalmologie pour des problèmes oculaires.
- Distribution des savons et pâtes à dentifrice
- Collation
MG : Faly miarahaba sy mizara indray ny vaovao amintsika amin’izao ankatoky ny fiafaran’ny volana janoary izao. Ety am-piandohana dia tiako ny mamerina manazava sy mampahatsiahy kely fa izy ity dia asa soa tsy andraisan-karama fa ny any am-paosy aza no manaraka hoy ny fitenintsika izay, nefa kosa dia tena atao am-pitiavana sy an-kavitrihina hatrany. Noho izany dia mety misy ny vaovao tsy voazara ara-potoana, satria tsy maintsy atrehina ihany koa ireo asa aman-draharaha fivelomana. Koa enga anie tsy ho tsiny...(Mino...)
Indreto ary sary vitsivitsy fanehoana ny fihaonana tamin’ireo ankohonana tohanan’ny fikambanana amin’ny alalan’ny tetikasa SaD ny sabotsy 25 janoary lasa teo.
Niompana be indrindra tamin’ireo vokatra azo tamin’ny fanadinana telo volana voalohany ny resaka. Amin’ny ankapobeny dia tsara ny vokatra, na dia nisy ihany aza ireo hita fa tsy dia maharaka loatra, ary efa ezahana hatrany ny hanarenana ny lesoka. Mbola ampahany ihany moa ny voaray tamin’ireo filazam-pahaizana...
Ankoatr’izay dia nifampizara ireo vaovao samihafa ny rehetra. Nisy fotoana moa natokana niarahabana an’i Rasazy LANCIA sy ROVA izay tafahaona voalohany tamin’ny rehetra taorian’ny “sortie de promotion” ny 27/12/19 lasa teo. Mampita ny fisaorana amintsika rehetra nikarakara sy nanohana ihany koa izy roa vavy, ary nisy ny fizarana “biscuit” ho an’ny rehetra avy amin’izy ireo nentiny naneho ny fisaorany sy ny hafaliany.
Asa moa hoe nahoana fa maromaro tamin’ireo ankizy no nitaraina manana olana eo amin’ny maso ka dia samy hanao fizaham-pahasalamana izy ireo ary mety hisy ny tsy maintsy hitsabo amin’ny alalan’ny solomaso.
Nofaranana tamin’ny “gouter” kely sy ny fizarana ireo savony sy “dentrifrice” toy ny mahazatra ny fotoana.