MG : Anatiny tsara amin’ny telovolana faharoa isika izao. Miomana amin’ny fanadinana ahazoana ny filazam-pahaizana faharoa ny ankizy sy ny mpampianatra. Amin’ny sabotsy 7 martsa ho avy izao no hatao ny karazana fanadinana andrana eto anivon’ny fikambanana, na ilay antsoina hoe “test périodique”. Aorian’io dia ezahana ny fanamafisana ireo taranja tena hita fa misy lesoka, mandrapaha-tongan’ny fanadinana hatrehan’ireo ankizy any an-tsekoliny avy, izay heverina ho vita mialohan’ny fialan-tsasatry ny Paska.
Rehefa avy mianatra moa dia mifandrimbona manadio ny ankizy. Misy hatrany ihany koa ny fotoana atokana ialàna voly amin’ny kilalao samihafa, ary koa ny vaky boky. Isaky ny sabotsy dia tsy tapaka hatrany ny ody am-bava-fo mialohan’ny fodiana.
FR : En plein milieu du second trimestre, on se prépare aux examens pour le deuxième bulletin de l’année scolaire. Les cours sont consacrés aux révisions et aux traitements des divers sujets-types. Les enfants vont passer le « test périodique » au site le samedi 7 mars. Les jours d’après, on renforcera surtout les matières avec lesquels les enfants ont le plus de difficultés, pour les aider à mieux affronter les examens dans leurs écoles respectives, qui auront lieu sans doute avant les vacances de Pâques.
Après les cours, les enfants s’attèlent au petit nettoyage, si les parents s’occupent à tour de rôle tous les samedis d’un grand nettoyage.
Bien sur, on consacre toujours du temps pour jouer et lire, et les samedis, une petite collation avant de rentrer chez soi.